4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Io any izy... - Lolo sy ny tariny

       lotateny : (tsy fantatro fa ialàko tsiny e! )


Io an'izy avy etsy mivadika avy aroa
Toa mijery fitaratra
Ny fanontaniany mihodina ao an-doha
Fanontaniana sarotra :
Fa nahoana kosa izy re ! Izy re !
No mahatsiaro ho ratsy tarehy
Moa ve i Jehovah no miangatra
Nahatonga azy toy izao
Novakiany ilay fitaratra
Fa manome azy sary mankalao ,kalalao,mankalao
oooooooooooooo!
Sao de mba ny rainy fony nanamboatra
Noentin-toaka na mamo
Sa ny reniny no tsy nazoto loatra
Tsy nisento na kamo
De namboarin'izy 'ray sy valo
'Zao 'reo bandy kely tsy mijery fa mandalo
De mitoka-monina ;rehefa sendra mba mandeha mandihy
Fa tsy misy olona ,mba mazoto hanatitr'azy
rehefa mody ;miantso tody
Nataony tamin'ny fo fa tsy mba vazivazy
Ny namboatra volo ,nanao pilakazy
Napetany tokoa 'reny lokoman'ireny
Nefa toa mandaing'ilay fitaratra jereny

            Io an'izy avy atsy mivadik'avy aroa
            Mangetaheta fitiavana
            Mba maniry mafy ny hiara-droa
            Na mba hifampitantana
            Henik'azy indray ny arabe
            Sy ireo toerana hoe be mpandeha
            Soa re nony ela dia nisintaka
            'Lay tandrifin-drahona efa teo
            Fa angamba tsy hamitaka
            Ity olona iray ,fa jereo
             oooooooooo!
'Zao vô tsapany mangarangarana
Ny fiainany maloka
Tsapany ny tsirom-pahasambarana
Ireny izy mampiaraka
De nandramany ny kilalao,
Sy ilay zavatr'hafa tsy fatao,hatrizao
Kanjo ny fitiavana ,lasa nangatsiaka nony lena
De tsy tan'ilay rangahy
Iz'irery sisa miantso,miverena
            Nalefany tokoa ireny taratasy
            Sy odifitia,na fanafody gasy
            'Zao ny hambom-pony ,kotsan'ny tomany
            Kanef'ilay rangahy tsy te hahalal'izany
Io an'izy avy atsy mivadik'avy aroa
Roa volana katroka
Mila ho lasa adala mivadik'atidoha
Miongo-bolo mikaroka
Hanasitrana ny kibony
Tô mizihatra tsy fidiny,
Vidin'ny adalana izay natao
Indray alakamisy hariv'izay
F'efa jamba nilalao
Diso ny fanisa ny andro :
Nihoatra iray (3)
ooooooooooo!
            Ny zavatra tonga isam-bolana
            Manjary toa mandainga fotoana
            'Zao izy ratsiana te hinam-boasary
            Voasary makirana
            Marikivy indray no haniny
            Mahakivy azy ny fiainany
            Tô manenjika ny nenina
            Raha vô mijery ny mason'i Neny
            F'efa tsy hay hafenina
            'Lay aretina rehefa kelikely
Nandramany tokoa re
Ny ravin-javoka,somary tenehina ,
Natao ny ala-nenina
Dimy no indray mihinana irony nivakinina
Kanefa hatramizao tô tsy haninona tsy haninona                           

Partager io any izy...

Commenter io any izy...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite